ARF Sous les tropiques
ARF
MIFETY? TONGAVA DAHOLO HIARAKA HILANONANA E!!! FA ZAO ANEFA AN, VOAFETRA NY
TOERANA KA VONJIVONJEO!!!
Fa inona moa zany ARF e?
Ny ARF dia tsinona akory fa fikambanana fianakaviana malagasy iray, taranaky Rainizafimanga sy Rasoavelo izay natsangana teto Frantsa tamin’ny taona 2000. Arivo (1000) zao ny mpikambana voaisa maneran-tany ka ny tanjon’ny fikambanana dia ny hifaneraserana, hifankalalana ary hifanakalozan-kevitra. Izany dia ny mba hanaovana asa soa miaraka koa.
Mba ahafahana manatanteraka ireo tetik’asa ireo anefa dia mila vola ny fikambanana ka izay no antony anaovanay ity lanona “sous les tropiques” amin’ny 14 novambra 2009 eny Tournan en Brie ity. Koa dia MANASA ANTSIKA REHETRA HO TONGA E! NA MPINAMANA NA MPIANAKAVY, TSY OLANA IZANY, TONGAVA DAHOLO! SADY ZAO ANGE, 25€ FOTSINY NY VIDIM-PIDIRANA, EEEEE MIARAKA AMIN’NY TSAKY GASY TSY MISY FETRANY IO AN!!!!
Raha mila fanampim-panazavana ianareo dia jereo ny tranon-kala www.rainizafimanga.com na antsoy ireto nomerao manaraka ireto raha hividy tapakila: Fetra= 06 09 57 18 98, Didier=01 39 80 31 06 aorian’ny amin’ny 7 ora alina na manorata amin’ny rainizafimangaFR@hotmail.com.
ANY TOURNAN EN BRIE ZANY MIFANKAHITA E!





