Eto ianao : Fandraisana> News

Fikambanana M'endrika

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 26/01/2010
Tao amin'ny : Fikambanana

M'endrika - endrik'i Madagasikara

Fikambanana mpianatra Malagasy eto Tours i M'endrika. Tamin'ny volana may 2008 no niforonany,ary mankany amin'ny faha-2 taonany izao 2010 izao.

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny volana febroary 2009 ny fikambanana ary misy mpikambana 14 ao aminy.

M'endrika dia avy @ fanakambanan-teny hoe endrika + Madagasikara. Izany hoe, fikambanana hivondronan'izay mety mahakasika ny Malagasy sy Madagasikara, avy @ lafy valon'ny Nosy i M'endrika.

Fototra ijoroany

Ny tena votoati-pisiany dia - ny fifanampiana eo @ samy mpianatra Malagasy (ny efa an-toerana sy ireo vao tonga) eto Tours (eo @ lafiny fandraisana, fiainana andavan'andro, fikarakarana taratasy maha-mpianatra, fianarana, ...), - fikolokoloana sy fikajiana ny kolotsaina Malagasy @ endrika isan-karazany (ny fiteny Malagasy, ny mozika Malagasy, ny nahandro Malagasy, ...). Ahatanteraka izany dia miara-miasa @ mpiara-miombon'antoka sy fikambanana liana ny @ Madagasikara ihany koa i M'endrika. Raha fehezina dia io no taratr'ilay Fihavanana Malagasy tiana aseho sy tandrovina.

Mpikambana

Afaka miditra ho mpikambana M'endrika avokoa rehefa eto Tours. Mpianatra no maro an'isa anatin'ny fikambanana, fa mandray tanora mpanohana ihany koa ny fikambanana.

Hetsika Tetik'asa iarahana @ sekoly any @ ambaratonga fototra mampahafantatra an'i Madagasikara (2008), fankalazàna isan-taona ny niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara, fanentanana any @ sehatry ny fikambanana hafa miantso azy (hira sy mozika), fiaraha-misakafo Krismasy, hetsika ara-kolotsaina fanohanana...

Isan'izany ny hetsika Fitiavana atakalo fitiavana iarahana @ tarika Olombelo Ricky, izay karakarain'ny fikambanana @ 13 febroary ho avy izao eto Tours (Notre Dame d'Oé), hanasàna ny be sy ny maro, na Malagasy na vahiny. 

Tongava, tohano ny ezaka ataonay ! Ankafizo ny mozika Malagasy !

Rohy facebook :http://www.facebook.com/event.php?eid=257994221708&index=1

Fifandraisana : m.endrika37@gmail.com

 

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina