Eto ianao : Fandraisana> News

Rodobe Toamasina : tsy nanaraka ny fenitra ny fanendrena ny Praiminisitra

Nampidirin'i : hery
Ny : 30/10/2011
Tao amin'ny : Politika

Nasiaka ireo avy ao ankolafy telo Toamasina mahakasika ny fanendrena Praiminisitra farany teo. Ny asabotsy 29 oktobra lasa teo, nifamotoana tao amin’ny kianjan’ny Magro Tanambao V Toamasina ireo mpitarika ny Rodobe Toamasina sy ny mpiara-dia amin’izy ireo. Hentitra ny kabary nataon’i Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny Movansy Ravalomanana Toamasina, izay nilazany fa “tsy manaraka ny fenitry ny tetezamita iraisana ny fomba nanendrena an’i  Beriziky Omer. Tsy i Omer no olana fa ny filazan’i  Andry Rajoelina hoe izy no nandray fanapahan-kevitra rehetra dia karazany azo ilazana fa mandeha ila hatrany Rajoelina amin’ny zavatra atao eto amin’ny firenena”.  
Nomarahin’izy ireo lavabe koa ny zava-nisy teo amin’ny ambasadaoro Frantsay Jean-Marc Chataigner sy Mamy Rakotoarivelo  tao amin’ny Hotel Colbert Antanananarivo ny tolakandron’ny zoma 28 oktobra lasa teo. Nanamafy ireo mpitarika ny Rodobe Toamasina fa “ny Frantsay no mibaiko tanteraka an’i  Andry Rajoelina ary ry zareo no mifidy izay olona tiana handrafitra izao tetezamita izao. Afaka miala mangata-bola amin’ny La Frantsa isika Malagasy  satria maro ireo firenena vahiny maniry ny hiara-hiasa amintsika fa bahanan’i  La Frantsa hatrany”. Nilaza ny hanohy ny hetsika hatrany ny Rodobe Toamasina ary tsy hijanona, hoy izy ireo, ny tolona raha tsy mbola tsy tafody eto Madagasikara ny Filoha roa lahy teo aloha, Ravalomanana Marc  sy Didier Ratsiraka.

Nangonin’i Tamaga

Hevitra:

1. Sandy

Of the panoply of webitse I've pored over this has the most veracity.

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina