Eto ianao : Fandraisana> News

Soratonon'2009

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 28/09/2009
Tao amin'ny : Kolotsaina

Hatramin’ny 7 taona nisiany, ny finaninanana sora-tononina izay karakarain’ny fikambanana Kolo miaraka amin’ny mpampianatra ao amin’ny Inalco dia nanjary isan’ireo ambohi-pihaonan’ny mpankafy ny kolotsaina sy ny teny Malagasy eto Frantsa.

Hatrany am-piandohana dia niahy ity fihaonana ity ny mpanao hoso-doko J.A. RAVELONA, sy ny solontena Malagasy eo anivon’ny UNESCO.

Andro lehibe hihaonan’ny vao mianatra ny teny Malagasy na ny kalaza ny fifaninanana sora-tononina. Eo koa no hahafahan’izy ireo mandalina ny tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana ary ny voambolana miaraka amin’ireo mpampianatra sy mpikaroka ary mpakafy ny teny Malagasy:  

Atoa Pr Narivelo RAJAONARIMANANA : Linguiste, spécialiste de la langue malgache à l'Institut national des langues et civilisations orientales (Inalco), Paris

Rtoa Solotiana NIRHY-LANTO RAMAMONJISOA : Maître de Conférences, Inalco

Atoa Malanjaona RAKOTOMALALA : Mampianatra ao amin’ny Inalco

Rtoa Lanto ANDRIANJAFITRIMO : Mampianatra ao amin’ny Inalco

Rtoa Rivolalao RAZAFINDRAZAKA : Mampianatra ao amin’ny Inalco

Atoa François Xavier RAZAFIMAHATRATRA : Poety sy lehiben’ny fikambanana « HAVATSA UPEM France »

 « Landy » no foto-kevitry ny fifaninanana 2008. Amin’ity taona ity dia nofidinay ny « fihavanana » mba hifandraika indrindra amin’ny toe-java-misy any amin’ny firenentsika.

Ity ohabolana iray ity dia mampifandray ireo loha-hevitra roa ireo :

“Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana; velona itafiana; ka ny madilana arahim-panondro”.

Koa manasa anareo izahay handinika sy haneho ny hevitrareo momba ity ohabolana ity ao amin’ny blog http://soratonon2009.blogspot.com  

Ny fifaninanana Soratononina 2009 dia hatao ny 24 oktobra ho avy izao ao Montrouge : 

Amphithéâtre Pierre DARGENT 
Faculté de chirurgie dentaire 
1, rue Maurice Arnoux 
92 120 Montrouge  

Ny fifamoivoizana avy ao amin’ny porte d’orléans :

BUS RATP : 194 - 295 : Arrêt DEPINOY

Tramway T3 : Arrêt Jean Moulin  

Fandraisana anjara : 5 euros  

Fandaharana : 

14h00 : Fandraisana

14h30 : Kabary fanokafana

14h45 : Adina

15h45 : Fanitsiana

16h45 : Fotoana fahatsiarovana an’i Jarisoa RAKOTOARIVELO

17h00 : Fizarana loka

Loka maro no ho zaraina. Isan’izany ny hoso-dokon’i J.A RAVELONA.

Koa manantena anareo ho tonga maro ary izahay.

Aza misalasala manoratra anarana ao amin’ny: kolomalagasy@gmail.com 

Mandra-pihaona,

Ny mpikarakara ny Soratonon’2009

 

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina