Toetra Raja
I Toetra RAJA no
maneho amintsika etoana ny tsiambaratelon'ny angaly ampiasainy amin'ny
famoronana tononkalo. Mivelatra eto anivon'ny aterineto ny asa sorany ary
ahitana santionany vitsivitsy ato amin'ny tranonkala vetso.serasera.org.
- Raha tsy mahadiso Toetra RAJA, manana rohim-pihavanana amin'i Jean NARIVONY ve ianao ?
Miarahaba ny mpisera tompoko. Azoko tsara ny anton'ny fanontanianao satria mampahatsiahy ahy fa samy mitondra ny anarana RAJAONARIVONY izahay mianaka. Na izany aza anefa ary na dia misy firehana "Jean NARIVONY" tsapa amin'ny sanganasako dia tsia no valiny. Anaran-draiko no nolovaiko. Efa nisy koa aza namana iray nanontany raha fianakavian'i RANDZA ZANAMIHOATRA aho nohon'ny fitovitovian'ny fanononana ny RANDZA sy ny RAJA ? Dokotera ny raiko fa tsy poeta. Misy mahafinaritra ohatra ny talenta nolovana ve saingy na dia ny poeta sangany toa an'i Dox aza tsy afaka nirona tamin'ny asa nirin'ny rainy iandraketany.
- Firehana "Jean NARIVONY" hoy ianao kanefa ny angalinao dia hafa mihitsy. Tsy io va ilay antsoinao amin'ny hoe "teny fohy isan'an-dalana" ?
Ny asa soratry Jean NARIVONY, araka ny fanadihadiako, dia tsotra raisina kanefa mateza roritina. Eo ampiandohana, ny mpamaky mihaona amin'ny poeziany iray dia ho safononoka nohon'ny fahatsoran'ny vakiteny. Misosa ventesina ny tononkalo hany ka satry sahady ny hamerimberenana azy eo imolotra. Raha zohina indray anefa ny isan'an-dalana dia vao mainka hahasondriana ny mpakafy ny mitelina ireo sarin-teny mifampitohitohy sy mifandray ao anatin'ny tononkalo. Io ilay hoe "mateza roritina", izany hoe satry foana ho tomorona sy ho fakafakaina. Araka izany dia vakintsaonjo roa ny filamatray; ny angaly anefa no tsy itovizana.
- Efa ela ve no nampiasanao an'io angaly io ?
Tamin'ny taona 1983 no nanombohako namindra tamin'ny fanoratana poezia ary tamin'izany fotoana izany dia efa voarakitra tao anatin'ny tahiriko io endrika io. Mpampianatra taranja Malagasy iray no nilaza tamiko fa io endrika io no tokony ho voizina satria mampientanentana sy hafa mihitsy. Ankehitriny dia misalotra azy avokoa ny diam-peniko rehetra.
- Alaim-panahy ihany aho manontany fa sao dia nindramina tamin'ny poezia vahiny io angaly io ?
Mpamaky tononkalo malagasy hatramin'ny fony kely aho. Toy ny maro dia mpakafy an-dry DOX, NY AVANA, Jean NARIVONY, RABEARIVELO, RADO sns. Nahasodoka ahy kosa ny fomba fisalotry ELIZA FREDA ny tononkalony toy ilay hoe : "Ao anaty - Vata-paty - Misy reny - Tsy miteny..." dia fantatsika rehetra moa ny tohiny. Nisy fotoana aza moa ao anatin'ny "ALIN'NY POETA" fihaonan'ny mpikamban'ny HAVATSA, ny tononkalo toa ireny no andihizana fa tsy mila hira sy mozika akory. Taty aoriana dia nisy poeta nankafy an'ity angaly ity koa toa an'i Rô ANDRIAMANEVA. Ny tononkalo malagasy moa dia migadona araka ny tsindrim-peo. Raha tsindrim-peo 3 na 4 isan'an-dalana no mahazatra ny poeta maro - misy mahatratra 8 aza - dia tsy mihoatra ny 2 no ampiasaina amin'ity angaly ity. Ho tsapan'ny mpakafy fa mientanentana avokoa ny saina amam-panahy rehefa miantsa tononkalo fohy an-dalana moa va tsy miaramila manao famindrana.
- Sarotra arafitra àry ve ny "teny fohy isan'an-dalana" ? Tsy izany mantsy fa tsy maintsy tandremana avokoa na refy na gadona na rima... raha tsy mbola ho resahana akory aza aloha ny hevitra, ny sarin-teny, ny loko sns ?
Ireo misionera anglisy nandinika ny tokony hamoronana ny hira protestanta tamin'ny taon-jato faha XIX, toa an-dry DAHLE sy HARTLEY ary RICHARDSON, rehefa avy nizarazara hevitra, dia niray feo fa azo atao poezia tsara ny teny malagasy satria manao dia milanto sy mirindra ka mora arafitra.
- Izany hoe mora folahana ?
Andeha angaha hataoko hoe mora volavolaina na mora kirakiraina. Voalaza aza fa ny Malagasy tena havanana tamin'ny famoronan-kira tamin'izany fotoana izany no raiben'ny poeta malagasy. Tsy iza izany fa ANDRIANAIVORAVELONA rainy izay nahaforona hira protestanta 36 ao amin'ny fihiràna, ka iray amin'izany ilay tsy afaka am-bavan'ny maro hoe "Ao ny lanitra tsara tokoa" (hira 684). Fantatsika loatra fa hira mampandatsa-dranomaso izy iny ary fanao amin'ny fotoam-pandevenana, kanefa kosa dia sady mirima fatratra no migadona tsara. Izany rehetra izany no naharesy lahatra ahy ka nahatsapako fa misokatra ho an'ny poezia malagasy ny angalin-tononkalo rehetra, eny fa na dia ny sarotra indrindra aza, satria tsy lany laniana sy tsy lany hamamiana ny akora azo ampiasaina ananan'ny tenintsika.
- Mahaliana ny maro koa ny fomba fampivadiana ny endrika sy ny hevitry ao amin'ny tononkalonao ?
Ny hevitra no tonga aloha ao an-tsain'ny poeta. Voavadibadika toy ny bainga izany ka tonga masaka hirobonan'ny endrika sy ny hevitra hahazoana miroso hatrany amin'ny kanto kokoa. Ny tena marina dia izao : ambohimpihaonan'ny hevitra sy loko ary gadona sy rima ny poezia. Manankarena voambolana ny teny malagasy, hoy aho teo, hany ka rehefa voatsakotsako ao an-tsaina ny hevitra iray, ary mihamatotra dia mitosaka ho azy toa vita majika ny endripeo. Narafitro ato anaty AN-DALAN-TENY ireo dingan'ny famoronana ireo.
AN-DALAN-TENY
Andalan-teny
Tongatonga
Ho azy teny
No nanonga ;
Ka
nanjary
Voakaly
Voarary
Hampifaly !
Nokoloina
Ary indrindra
Nolokoina
Mba hirindra,
Hierinerina
Ankavoana
Averimberina
Eny foana.
25 jolay 2006
- Ankoatra ny aterineto, misy fomba hafa ve ampielezanao ny tononkalonao ?
Amin'izao andron'ny fanantoloana sy ny serasera izao dia ataoko angamba fa tsy ho azo amaivanina ny fampielezana amin'ny aterineto. Azonao tsidihana ny tranonkalako. Efa nivahiny matetika koa tao amin'ny Radio Feon'ny Merina aho ary nisy fiantsàna matetika ny diam-peniko tao. Efa niseho tamin'ny gazety vitsivitsy mivoaka isanandro koa izy ireo toy ny L'express de Madagascar, La Gazette DGI. Amin'ny maha mpikamban'ny HAVATSA UPEM ahy dia boky telo no nandraisako anjara : SANTA-BOKATRA, MIRAZOTRA ary ny TATAMO MANOKANA izay navoaka ho tsangambaton'ny faha 55 taonan'ny fikambanana.
- Raha misy azo hiverenana ny lalana nodiavinao, misy zava-kinasa tsy tanteraka ve ?
Tsy misy anenenako ny zavatra vitako. Ireo kinasa tsy tanteraka dia iriko ho anjara filamatr'ireo silaky ny aiko.
- Ohatra ?
Ny fitendrena zava-maneno ohatra dia anisan'ny fialamboliko kanefa tsy mba nety nanavanana ahy. Faly aho anefa ankehitriny fa mirona amin'io taranja io avokoa izy mianadahy zanako ary samy mandalina izany any amin'ny CONSERVATOIRE.
- Ny zavatra tsy tianao indrindra ?
Ny olona be FOSAFOSA, izay tsy namelako raha tsy nahavitako an-dalan-teny vitsivitsy :
FOSAFOSA
Tsarovy
Ry be
Fosafosa
Mitovy
Amin'ise
Ny kanosa
Aleo
Hifanatrehana
Kosa
Ny feo
Reharehan'
Ny osa.
Fingana
Ivoho
Mampisosa
Mandringana
Lasan-ko
Trosa !
Raha toa
Tsy lany
Miavosa
Ny fo
Iantefany
Mihaosa.
Tsilaolao
Heverina
Hisosa
No atao
Ka hiverina
Kosa !
Toetra RAJA
25 janoary 2009
- Fisaorana lehibe no atolotra an'i Toetra RAJA nanompana fotoana nanambarany ny mombamomba azy sy ny angaliny. Ho anao izay te hahafantatra bebe kokoa ny mpanoratra dia azonao atao ny mitsidika ny tranonkalany :
http://www.freewebs.com/toetraraja/
Toetra RAJA koa dia anisan'ireo mpandrindra ny tranonkala manokan'ny POETA MALAGASY :
http://poeta.webs.com/1.html
Misaotra indrindra ny tranonkala vetso.serasera.org nampiantrano sy nitoto nahafotsy ny dinidinika. Misaotra indrindra koa ireo mpisera ary manentana hatrany azy ireo amin'ny fanandratana avo ny haisoratra malagasy.






Hevitra:
1. Nannie
Mankasitraka.
2. Fredy JAOFERA
Nahaliana dia nahaliana tokoa ny namaky ny momba anao, Toetra RAJA. Tsapa fa efa matotra ianao eo amin'ny fanoratana. Mirary soa hatrany.
Fredy JAOFERA
3. Manda
Hevitra mafonja voangaly amin'ny alalan'ny ady rima sy lojika, tena manandratra avo ny tenin-drazana. Tsara fa tohizo lehiroa. Mirary soa amin'ny fianakaviana.
Manda RAJA
4. HOBIANA
Ravo aho fa nandalo dia nahita fanahy gasy.
Gaga: Hay mbola misy?
5.
Miarahaba indrindra nandalo dia nitsidika
Malalason
6. HAVATSA-UPEM Foibe
Mirary soa ho an'ny TOETRA RAJA ny HAVATSA-UPEM Foibe aty Madagasikara.
Tsy miasa jamba rafozana ianao sanatria fa hitanay avokoa ny ezaka ataonao ho fanabeazam-boho ny teny sy ny haisoratra malagasy, indrindra moa fa ny fikambanantsika.
Hanoratra ho anao momba ny ANTSO FIVORIAM-BE amin'ny volana oktobra 2010 ny foibe, ka mbola iangaviana anao handefa izany amin'ny tranonkala poete.webs
Mirary soa lalandava Toetra RAJA a
Ny HAVATSA-UPEM
7. Ny Akama
Faly mahalala an'i Toetra Haja. Misaotra ary mankasitra amin'ny fanandratana ny TENY MALAGASY amin'ny alalan'ny asa soratrao. Tohizo fa tsara ! Mirary soa hatrany e!